Na dia efa nanala ny fitoriany an’ilay mpanakanto mpandrindra ny vondrona ao anaty tambajotra facebook “Fifosana hanatsarana people gasy”, Hiary Rampanoelina, daholo aza ireo voatohintohina rehetra tamin’ity raharaha ity dia tsy afa-bela ny voampanga.
Noraisin’ny fampanoavana ho anisan’ny firaisana tsikombakomba amin’ny mpanao ratsy ny famelana ilay fandrahonana haka an-keriny zanaky ny depiote Harijaona Randriarimalala na Jaona Elite nivoaka tao amin’ny rindrin’ity vondrona ity ka dia izay no antony tsy nahafahan’ny fitsarana hanafaka madiodio an’i Hiary. Voasazy higadra herintaona sazy mihatra izy ary nafahana noho ny fisalasalana kosa ny vadiny. Omaly moa no nivaly teny amin’ny lapan’ny fitsarana Anosy ity raharaha ity rehefa avy nisintona sy nandinika izany hatramin’ny 28 febroary teo ireo mpitsara. Mbola afaka mampiakatra fitsarana ambony na miantso fandravana ny didy ny mpisolovava an'i Hiary. Maro no taitra tamin'ity didim-pitsarana ity saingy raha ny filazana mpitsara iray dia io no izy ary mitombina tsara satria izay no mifanaraka amin'ialy vesatra niampangana azy.
Mirija
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.