Actualités

Fonjan’Antanimora 3400 no migadra ao


  • Zoma 07 Oktobra 2016

Tafakatra 3.400 isa ankehitriny ny ireo voafonja tazonina ao amin’ny fonjaben’Antanimora raha 800 isa no tokony ho izy.

  Nanomboka ny taona 2015 no nampahazo vahana izany, antony miteraka ireo karazana olana maro samihafa sedrain’ny voafonja. Anisan’ireny ny tsy fahampian-tsakafo ankoatra ny fanajana ny resaka zo maha-olona. Tafiditra ao anatin’io tarehimarika io avokoa ny lehilahy, ireo vehivavy vao teraka sy mitondra vohoka ary ireo miaraka amin’ny zanany latsaky ny roa taona. Manoloana izany  dia miantso ny amin’ny hanafainganana ny hitsarana ireo voafonja mbola tsy nandalo izany ny komity iraisam-pirenena eo anivon’ny fikambanana Vokovoko mena.  Manatanteraka fihaonana miaraka amin’ny ministeran’ny fitsarana etsy amin’ny ENMG Tsaralalana izy ireo nanomboka omaly, hotronin’ny mpitandro ny filaminana. Tanjona ny hitadiavana paikady entina hanatsarana ny fandraisana an-tanana  ny voafonja ho fitsinjovana azy ireo. Fantatra moa fa efa 20 taona izao no niarahan’ny Ministeran’ny Fitsarana sy ny komity iraisam-pirenena eo anivon’ny Vokovokomena niasa ary mbola vonona hatrany ireto farany ny hanohy izany.

 

Pati

 


Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Tale
  • Zoma 30 Oktobra 2026

mpanatanteraky ny ONTM

  • Taorian’ny
  • Zoma 30 Oktobra 2026

fandevenana an-janany

  • Creative Minds
  • Zoma 30 Oktobra 2026

Madagascar andiany faha-3

  • CENTRE
  • Zoma 30 Oktobra 2026

SEMBANA MIJORO

  • Kolikoly avo
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

lentan’ireo mpitondra teo aloha

Hijery ny tohiny
FTT