Actualités

Fonjaben’Antanimora Hasiam-panitarana amin’ny taona ho avy


  • Talata 11 Desambra 2018

Tafakatra avo roa heny amin’ny isa ara-dalàna ny isan’ireo voafonja tazonina etsy amin’ny fonjaben’Antanimora ankehitriny, raha araka ny fanazavan-dRakotomalala Aina Tantely, talen’ny maha olona sy ny fanabeazana ny voafonja.

 

 

Tery dia tery ny toerana, indrindra ny ao amin’ny fonjan’ny vehivavy, antony mahatonga ireo voafonja sasany  tsy maintsy alefa any Manjakandriana ho fiarovana ny zon’izy ireo. Nambaran’ity tompon’andraikitra ity fa hasiam-panitarana ny fonjaben’Antanimora amin’ny taona vaovao 2019 ho avy io, raha tsy tanteraka tamin’ity taona 2018 ity. Ao koa ny fonjaben’i Maevatanana izay efa tena tery. Efa vita kosa ny ao Vangaindrano sy Moramanga ary Maintirano.  Tafiditra ao anatin’ny fanajana ny zon’olombelona avokoa izany. Anisan’ny miara-miasa akaiky amin’ny minisiteran’ny Fitsarana eto amintsika ny fikambanana Croix rouge iraisam-pirenena. Anisan’ny asa sahanin’ireto farany ny manara-maso ny fanajana ny zon’ny voafonja  toy ny zo hisakafo ara-dalàna, zo hotsaboina raha marary, zo hianatra ho an’ireo zaza tsy ampy taona. Raha sanatria moa ka misy hoy Rakotomalala Aina Tantely ny fihoaram-pefy hataon’ny sasany mahakasika ny fanajana ny zon’ny voafonja dia misy avy hatrany ny sazy miandry azy ireny. Anisan’ny nampahafantatra ny asa hataony mifandraika amin’izany tetsy amin’ny Carlton Anosy omaly ny fikambanana Croix rouge iraisam-pirenena.

 

 

Pati

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Olona maro efa
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

nosamborina tamin’ny afera sinoa 11

  • Nanao ampamoaka
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

sy nampiaka-peo PRRM

  • Voahoso-potaka
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

i Tahina Razafinjoelina

  • Randriantsoa Jimmy
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

Lasa tsy anatin’ny soa

  • VOVONANA TANTANA
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

Tokony hijery tsara ireo

  • Fetison
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

Rakoto Andrianirina

Hijery ny tohiny
FTT