Actualités

Fonjaben’i Toamasina Nohamafisina ny fiarovana azy


  • Alakamisy 07 Janoary 2016

Raha ny fanazavana azo tamin’ny lehiben’ny fonja ao Toamasina Atoa Ralay Christian, dia tao anatin’ny 10 taona izao no tsy nahitana olana amin’ny fitsoahana voafonja faobe ny fonja ben’i Toamasina Ambalatavoahangy ;

 

 izany no nisy dia noho ireo fepetra noraisina tamin’ny fampitomboana ny fifampiresahana amin’ireo voajonja, sy fihainoana ny olana mianjady amin’izy ireo, ary ny fampahalalana ireo voafonja ireo ny zony sy ny tokony ampiharan’izy ireo ny fifanajana eo amin’ny voafonja sy ny voafonja sy ny mpandraharaha ny fonja. Taorian’ilay tranga nampitsoaka ireo mifonja tsy ampy taona tao amin’ny fonja ben’ny Mahajanga farany teo anefa, dia nampitombo ny fanaraha-maso sy ny fiarovana ny fonja ary fampandraisana andraikitra ny mpiasa amin’ny asa ataony avy ny lehiben’ny fonja Toamasina. Izany no noraisina dia noho ny fahamaroan’ireo voafonja voarohirohy amin’ny resaka heloka be vava, ka isan’ireny ireo voarohirohy tamin’ny resaka fakana an-keriny izay miisa 27 izy ireo ankehitriny. Ahitana ireo olona 07 ka 03 mpiarahalahy tamin’ny raharaha Lao Jean Claude, sy ireo 20 mianadahy ka vehivavy ny 04 ahitana ny sakaizan’ireo mpaka an-keriny roa sy ny vadin’i Lejo.  Voatery noferana ny fifandraisan’ireo olona ireo amin’ny fianakaviany sy ny namany ary ny olom-patany, izay ho fanampiana ireo mpanao fanadiadiana sy hisorahana amin’izao mety ho fifandraisan’izy ireo amin’ireo olona ifampitadiavana sym bola, karohana amin’izao raharaha izao koa ny antony. Miisa 1.149 ireo mifonja ao amin’ny fonja ben’i Toamasina izao. Ny 825 mbola miandry fitsarana avokoa, raha 275 ireo efa voatsara namoahana didy. Miisa 1.080 kosa ny lehilahy ka miisa 41 ny zazalahy tsy ampy taona, miisa 63 ny kosa ny vehivavy.

 

Rakoutou

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Tale
  • Zoma 30 Oktobra 2026

mpanatanteraky ny ONTM

  • Taorian’ny
  • Zoma 30 Oktobra 2026

fandevenana an-janany

  • Creative Minds
  • Zoma 30 Oktobra 2026

Madagascar andiany faha-3

  • CENTRE
  • Zoma 30 Oktobra 2026

SEMBANA MIJORO

  • Kolikoly avo
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

lentan’ireo mpitondra teo aloha

Hijery ny tohiny
FTT