Tena misy ary mbola iainan’ireo vehivavy izay miteraka kambana ny fanilihana azy ireo hiala ny fiarahamonina any Mananjary
Raha ny fanazavana nomen’ny renim-pianakaviana iray izay niteraka kambana avy any amin’iny faritra iny Rtoa Bangita Voahangy dia terena ny tenany hamono ny zaza satria lazaina fa manoto vintana. Rehefa tsy nanaiky anefa ity farany dia nasaina niala ny fianakaviany sy ny fiarahamonina misy azy. Taty aoriana dia nisy ny fihaonany tamin’ny olona tsara sitrapo ka nahafahany nanangana fikambanana miady amin’ity fomban-drazana izay mifanohitra amin’ny zon’olombelona ity. Ankehitriny dia efa mahatratra 48 ireo ray aman-dreny mpikambana miaraka aminy ka miezaka hatrany izy ireo manohitra ny tsy rariny mihatra amin’ireo reny miteraka kambana any an-toerana.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.