Actualités

Fomba fiasan’ny CENI Be ny lesoka tsy maintsy harenina


  • Zoma 12 Aogositra 2016

Niaiky ny filohan’ny vaomiera mahaleotena misahana ny fifidianana ny Me Hery Rakotomanana omaly, nandritry ny fivoriana manokana niarahan’ity vaomiera ity

 tamin’ireo andrim-panjakana isan-karazany tetsy amin’ny foibeny tetsy Alarobia fa be ny lesoka tsy maintsy harenina. Fantatra ary fa dia fomba fiasa vaovao indray izany, raha ny fanazavana teny an-toerana no ho apetraka mba hanarenana ireo tsy fetezana marobe nitranga tamin’ireo fifidianana efa vita tany aloha. Hisy isan-telo volana, araka izany, ny fivoriam-be hiarahan’ny avy eo anivon’ny solontenan’ny mpanao gazety sy ny mpanao politika ary ireo fiarahamonim-pirenena. Hisy ihany koa ny fivoriana ataon’ireo rafitra tsirairay voatanisa teo ireo amin’izy ireo samy izy ireo isam-bolana ary izany rehetra izany dia mba hifampizaran’ny isam-batan’olona ny heviny entina manatsara izay tontolom-pifidianana eto amintsika izay miaraka amin’izay fomba mahomby hamadihana izany ho asa mivaingana. Hiarahantsika rehetra mahafantatra, hoy ny filohan’ny CENI, ireo lesoka toy ny tsy fahatomombanana eo amin’ny lisitry ny mpifidy satria raha ny tokony ho izy, hoy ny tenany, dia efa manodidina ny 10 tapitrisa any ho any no isan’ny olona tokony hifidy eto amintsika kanefa dia mbola 8 tapitrisa ihany no voasoratra hatramin’izao. Ho vahaolana amin’izany, hoy izy, dia hanambatra ny heriny ny avy eo anivon’ny minisiteran’ny fitsarana sy ny atitany ary izahay mba hanamorana ny fahazoan-dalan’ireo rehetra afaka mifidy amin’ny fandraisana anjara amin’ny fifidianana. Ao anatin’ity fandaharana vaovao ity koa, raha ny fanazavana hatrany, dia hisy fanabeazana ara-pifidianana izay iaraha-miasa amin’ny TVM izay sady ho fanatsarana ny lafiny fampitam-baovao ihany koa, hoy ity filoha ity. Marihina fa ireo lafin-javitra ireo miaraka amin’ny fanatsarana ny lafiny fikirakirana solosaina dia samy tohanan’ny PNUD avokoa, raha ny voalaza. Nampanantena fangaharaharana moa ity filoha ity ka dia ho hita eo ny tohiny.

Mirija     

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Tale
  • Zoma 30 Oktobra 2026

mpanatanteraky ny ONTM

  • Taorian’ny
  • Zoma 30 Oktobra 2026

fandevenana an-janany

  • Creative Minds
  • Zoma 30 Oktobra 2026

Madagascar andiany faha-3

  • CENTRE
  • Zoma 30 Oktobra 2026

SEMBANA MIJORO

  • Kolikoly avo
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

lentan’ireo mpitondra teo aloha

Hijery ny tohiny
FTT