Actualités

Fomba fiaina gaboraraka Mampihisatra ny fandrosoana


  • Alakamisy 31 Janoary 2019

Tena zatra miaina ao anatin’ny gaboraraka sy sarotra entina ny Malagasy, ka io no fanovana lehibe mila hapetraka voalohany, raha tena tiana ny hitondra ny firenena any amin’ny fampandrosoana sy fandrosoana.

 

 

 Mila hazavaina sy tsara ho hain’ny isam-batan’olona ny famaritana ny hevitry ny fampanarahan-dalàna sy ny fanarahana fitsipika sy ny didy jadona. Efa namotika firenena mantsy io. Raha hiverenana ny tantaran’ny fanonganam-panjakana tamin’ny 2009, dia anisan’ny natao fitaovana ny filazana fa filoha mpanao jadona ilay nitondra. Niongana ilay filoha ary nanomboka teo ny fahalalahana raha ny hevitry ny sasany tamin’izany. Niditra tao anatin’ny gaboraraka sy ny tsy fanarahan-dalàna tanteraka anefa isika, indrindra ny kolikoly. Tsy hisy firenena handroso mandrakizay ao anatin’ny gaboraraka izany. Tsy azo antsoina hoe : fahefam-panjakana ny fahefan’ny mpitondra, raha tsy afaka hampanara-dalàna sy fitsipika ho an’ny olom-pirenena. Ny vahoaka mihitsy eto no mety ho sakana sy mampihisatra ny fampandrosoana satria sarotra entina. Famotehana sy fampianaran-dratsy ny olona ny fakana ny fony amin’ny famelana azy hanao izay saim-pantany. Anisan’ny nampandroso an’i Singapour ny fanajana ny fitsipika, ny lamina, ny fahadiovana. Zavatra tsotra kanefa tena mahasoa ny tsy fahafahana mihinan-javatra, mitsakotsako na misotro zavatra, eny fa na rano aza eny ambony fitateram-bahoaka. Mandoa onitra 1000 dolara avy hatrany izay tratra. Mahatonga an’i Singapour ho manana ny renivohitra madio sy mahasintona mpizahatany be indrindra eto ambonin’ny tany izany. Any Soisa ihany koa, ohatra, dia 40 francs hatramin’ny 1000 francs vola any an-toerana ny sazy ho an’izay tratra manary fako eny an-dalambe. Mety hihomehezan-dRamalagasy ireny, kanefa tena tsara sy mahasoa ary ny an’ny olona izay lamina dia hajaina. Mila finiavana lehibe io kanefa ny mitandrina tsy hanary fonona bisikoitra eny an-dalana, ny finiavana tsy hividy zavatra eny amin’ny tsy tsena tsy manara-dalàna,… aza sarotra amintsika fa raha ny manakiana ny mpitondra dia tena manan-talenta. Mahamenatra sady mampalahelo !

 

Toky R

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Olona maro efa
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

nosamborina tamin’ny afera sinoa 11

  • Nanao ampamoaka
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

sy nampiaka-peo PRRM

  • Voahoso-potaka
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

i Tahina Razafinjoelina

  • Randriantsoa Jimmy
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

Lasa tsy anatin’ny soa

  • VOVONANA TANTANA
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

Tokony hijery tsara ireo

  • Fetison
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

Rakoto Andrianirina

Hijery ny tohiny
FTT