Actualités

Foloalindahy Voailikilika ireo zokiolona mpisotro ronono


  • Talata 20 Desambra 2016

Nisy ny fanitsiana tabilao mari-karama na «alignement du grille indiciaire» ho an’ny fianakaviamben’ny foloalindahy ny taona 2005.

Tsy nisitraka ny fampiharana io didim-panjakana io hatramin’izao ny fikambanan’ireo miaramila misotro ka nahatonga ny solombavambahoakan’i Madagasikara Rasoanoromalala Horace nitondra ny fitarainan’ireto zokiolona nahavita be teto amin’ny firenena ireto teo anatrehan’ny minisitry ny Fitantanana sy ny tetibola nandritra ny fifanatrehana mivantana teo amin’ny parlemanta sy ny governemanta ny alakamisy 15 desambra 2016 teo teny Tsimbazaza. Voalaza kosa taorian’izay ny fanafoanana ity didim-panjakana fanitsiana ny tontolon’ny tambin-katsembohana ity. Efa nivoaka ny taona 2011 ny didy ahafahan’ireo mpitandro ny filaminana tranainy ireo misitraka ny tombontsoa saingy tsy nipoitra hatreto ny didy fampiharana. Mahatsiaro tena fa nailika amin’izao tranga manjo azy ireo izao moa ireto zokiolona mpikambana an’aliny eo anivon’ny foloalindahy Malagasy efa misotro ronono ireto.

Ramano F. 


 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Tale
  • Zoma 30 Oktobra 2026

mpanatanteraky ny ONTM

  • Taorian’ny
  • Zoma 30 Oktobra 2026

fandevenana an-janany

  • Creative Minds
  • Zoma 30 Oktobra 2026

Madagascar andiany faha-3

  • CENTRE
  • Zoma 30 Oktobra 2026

SEMBANA MIJORO

  • Raharaha
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

«Résidence d’Ampasikely » Nosy Be

  • Kolikoly avo
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

lentan’ireo mpitondra teo aloha

Hijery ny tohiny
FTT