Actualités

Foloalindahy Malagasy Tsy hanaiky fanakorontanana


  • Alakamisy 13 Desambra 2018

Mangina tanteraka hatreto ny foloalindahy, hafa ny tamin’ny taona 2009. Amin`ny ankapobeny, sarotraho azy ireo aloha no hirona any amina loko politika, indrindra amin`izao ankatoky ny fifidianana izao.

 

 

Midika izany fa misy fivoarana be ny eo anivon`ny foloalindahy satria tsy hanaiky atao fitaovana intsony izy ireo. Raha tsiahivina, tamin`ny 16 novambra lasa teo ny foloalindahy no nanao fanambarana iombonana ary nanao fampitandremana fa tsy mila korontana. Tamin`ny feo mahery nefa feno fahatoniana no namakian`ny jeneraly Andrianjanaka Njatoarisoa, kaomandin`ny zandarimariam-pirenena , ny fanambarana iraisan`ireo lehibe eo anivon`ny Tafika Malagasy sy polisim-pirenena ary zandarimariam-pirenena tamin`izany. Nanamafy ihany koa ny hafatra manokana nataon`ny minisitry ny fiarovam-pirenena, Gal Rasolofonirina Xavier Beni,  ho an’ny vahoaka Malagasy, nandritra ny fizarana mari-pankasitrahana ho an’ireo mpisehatra amin’ny serasera avy amin’ny foloalindahy, ny alakamisy 06 desambra 2018, mba  ho tony sy hilamina ary hifanaja fa tsy hifampiantsy sy hifandranitra amin’ny tsy fitoviana ara-poto-kevitra politika ao aloha sy mandritra ary aoriana. Mivonona amin`ny fiarovana ny tanindrazana manoloana an`ireo manana sain-dratsy hampisavorovoro ny firenena ny mpitandro ny filaminana mba hisorohana ny korontana  .

 

Marigny A.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Olona maro efa
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

nosamborina tamin’ny afera sinoa 11

  • Nanao ampamoaka
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

sy nampiaka-peo PRRM

  • Voahoso-potaka
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

i Tahina Razafinjoelina

  • Randriantsoa Jimmy
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

Lasa tsy anatin’ny soa

  • VOVONANA TANTANA
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

Tokony hijery tsara ireo

  • Fetison
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

Rakoto Andrianirina

Hijery ny tohiny
FTT