Actualités

Foloalindahy Malagasy Misy disadisam-pibaikoana ?


  • Zoma 04 Janoary 2019

Hafahafa ny zava-niseho momba ny fibaikoana ny mpitandro ny filaminana teny an-kianjan’ny 13 mey omaly tapak’andro maraina.

 

 Ny takarivan’ny alarobia 2 janoary mantsy dia namoaka fanambarana ny minisitry ny fiarovam-pirenena Jeneraly Béni Xavier Rasolofonirina amin’ny tsy hampiasana ny foloalindahy ho hery famoretana tahaka ny niseho ny alarobia 2 janoary teo fa hiantsoroka ny fitandroana ny filaminana amin’izay mety ho fihoaram-pefy sy fanararaotana. Vao nanomboka niditra teny an-kianja anefa ny vahoaka omaly maraina dia nanambara ny lehiben’ny mpitandro ny filaminana teny an-toerana fa mila mivoaka daholo ireo olona efa tao satria tsy mbola nahazo baiko hamelana ny olona hiditra izy ireo. Tsy nisy ny taratasy mazava amin’ny hanaovana « réquisition » fa karazan’ny baiko an-telefaonina avy amin’olona tsy fantatra mazava, ary ny azo antoka aloha dia tsy avy amin’ny minisitry ny fiarovam-pirenena raha zohiana amin’ny fanambarana nataony. Nisy kosa ny fanenjehana sy fanivaivana ny minisitry ny fiarovam-pirenena tamina onjam-peo nataona ramatoa mpanolotsain’ny praiminisitra, izay toa midika fa mety ho avy amin’ity farany ny baiko amin’ny hamoretana ny vahoaka izay tanam-polo mba ho amin’ny tombontsoa politikan’ny sasany. Nahiana ho efa karazana fikomiana sy tsy fandraisana baiko na « désobéissance militaires » noho ny mety ho dian-tanana sy fampiasam-bola nataona sivily afaka mibaiko olom-panjakana ambony manana fahefana no tao ambadika, ka re fa nisy ny fihaonana fanapahan-kevitra nataona tompon’andraikitra faratampony eto amin’ny firenena manoloana izany. Nisy olona manome baiko ao dia misy tsy manatanteraka. Misaotra ny minisitry ny fiarovam-pirenena, ny filoham-panjakana izay filoha faratampon’ny foloalindahy, hoy ny solombavambahoaka Hanitra Razafimanantsoa, taorian’ny fisintahan’ny mpitandro ny filaminana tokony ho tamin’ny 1 ora tolakandro, ka ny polisim-pirenena no niala aloha, ary nanaraka ny tafika sy ny zandarimaria.

Toky R

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Olona maro efa
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

nosamborina tamin’ny afera sinoa 11

  • Nanao ampamoaka
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

sy nampiaka-peo PRRM

  • Voahoso-potaka
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

i Tahina Razafinjoelina

  • Randriantsoa Jimmy
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

Lasa tsy anatin’ny soa

  • VOVONANA TANTANA
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

Tokony hijery tsara ireo

  • Fetison
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

Rakoto Andrianirina

Hijery ny tohiny
FTT