Actualités

FOKONTANY MAHAVOKY AVARATRA Mpangalatra osy tratran’ny andrimasom-pokonolona


  • Alakamisy 22 Janoary 2015

Osy roa no nisy nangalatra tao amin’ny fokontany Mahavoky Avaratra ny alin’ny talata hifoha alarobia tokony ho tamin’ny 3 ora maraina.

 

Ireo andrimasom-pokonolona no nahatsikaritra ireo mpangalatra roa lahy nitondra ireo biby nitsoaka. Nifanenjehana ireto farany saingy navelan’izy ireo teo amin’ny sisin-dalana ireo osy roa izay saika nangalarina ka tsy tratra. Efa matetika mpiseho ny hala-botry any an-toerana, indrindra ao anatin’ny fotoam-pahavaratra izao ka ny fitandremana no vahaolana ataon’ny tsirairay. Etsy an-daniny, miezaka hatrany ny komitim-pokontany ny amin’ny fitandroana ny fandriampahalemana amin’ny alalan’ny fametrahana ny andrimasom-pokonolona ka ny tanora ao amin’ny fokontany ihany no mandray an-tanana ny fanaraha-maso ny tanàna.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Olona maro efa
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

nosamborina tamin’ny afera sinoa 11

  • Nanao ampamoaka
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

sy nampiaka-peo PRRM

  • Voahoso-potaka
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

i Tahina Razafinjoelina

  • Randriantsoa Jimmy
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

Lasa tsy anatin’ny soa

  • VOVONANA TANTANA
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

Tokony hijery tsara ireo

  • Fetison
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

Rakoto Andrianirina

Hijery ny tohiny
FTT