Tokantrano telo be izao tao anatin’ny roa andro no lasibatry ny vaky trano tao amin’ny fokontany Aranta ny alatsinainy sy talata teo
Nahazo vahana tao amin’io fokontany io ny vaky trano ary na dia andro mazava aza dia manao ny ataony ihany ireo mpanao ratsy. Tsy mifidy entana angalariny ireo mpangalatra fa na dia entana tsy mety amidy toy ny sotro aza dia lasan’izy ireo avokoa. Am-bolana maro izay no tsy nahenoana an’io trangana vaky trano io tao amin’ny fokontany Aranta io ka izao indray miala any ny tsy fandriampahalemana. Nilaza ny mponina fa tokony hisy ny andrimasom-pokonolona mba ahafahana manara-maso ny vaky trano sy fanendahana maro samihafa. Etsy an-daniny dia tsy mandray andraikitra ny fokontany manoloana ity vaky trano mirongatra ity na dia efa nisy aza ny fitarainan’ireo mponina lasibatra. Manao antso avo amin’ny mpitandro ny filaminana ny vahoaka ao amin’io fokontany mba hijerena ny olan’ny tsy fandriampahalemana mahazo azy ireo.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.