Actualités

Fokontany Anosibe Angarangarana Tafatsangana ny “centre d’écoute” handray ny fitarainan’ny olona


  • Alakamisy 31 Martsa 2016

Tafatsangana ao amin’ny fokontany Anosibe Angarangarana ary efa miasa ny “Centre d’écoute”, raha ny fanazavan’ny sefom-pokontany ao an-toerana Ali Petera.

 

 Handray ny fitarainan’ny olon-drehetra izy io, indrindra fa ireo zaza amam-behivavy lasibatry ny herisetra sy ny fanolanana. Tanjona ny hanampy ny mpiara-belona hamaizana ireo mpanao ratsy sy mijery akaiky ireo lasibatra. Mikasika ny lalana ao amin’ity Fokontany ity manokana dia fantatra fa mbola mila hazo maromaro izy ireo hahafahana manatevina ireo efa nisy teo aloha.  Taorian’ny ora-nikija ny herinandro teo mantsy dia niakatra be indray ny rano eny an-toerana ka anisan’ny asa imasoan’ny mponina hatramin’izao ny fanokafana ny tata-drano rehetra manerana ny fokontany. Marihina fa efa tafatsangana ao amin’ity fokontany ity ny “Comité Locale de Sécurité” mijery akaiky ireo iharan’ny tondra-drano ary mitondra ny tatitra eny anivon’ny Birao mahaleotena iadiana amin’ny kolikoly mba hahafahana manampy azy ireo.

Pati

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Tale
  • Zoma 30 Oktobra 2026

mpanatanteraky ny ONTM

  • Taorian’ny
  • Zoma 30 Oktobra 2026

fandevenana an-janany

  • Creative Minds
  • Zoma 30 Oktobra 2026

Madagascar andiany faha-3

  • CENTRE
  • Zoma 30 Oktobra 2026

SEMBANA MIJORO

  • Kolikoly avo
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

lentan’ireo mpitondra teo aloha

Hijery ny tohiny
FTT