Actualités

Fokontany Ambohidranomanga Nahazo EPP avy amin’ny Fondation BOA


  • Zoma 21 Novambra 2014

Afa-pahasahiranana ireo ankizy madinika monina ao amin’ny fokontany Ambohidranomanga, kaominina Ambatomirahavavy

. Notoloran’ny fondation BOA sekoly ambaratonga fototra manara-penitra mantsy izy ireo, fotodrafitrasa vao notokanana omaly. Mihoatra ny  500 tapitrisa Ar ny vola lany tamin’ ny asa, ahitana efitrano lehibe miisa dimy, mahazaka mpianatra 50 isanisany. Miampy biraon’ny talen-tsekoly sy trano fandraisam-bahiny ary efitrano fatoriana izany. Ankoatra ireo dia ahitana efitrano fisakafoanana ho an’ny mpianatra ihany koa ao an-toerana, trano fidiovana manara-penitra, toerana fanaovana fanatanjahantena toy ny basket sy ny baolina kitra ary ny voley ankoatra ny zaridaina natokana hambolen’ny mpianatra ireo karazana legioma azon’izy ireo atao fangaron-daoka.  Tany mirefy 400 m2 eo ho eo no nanaovana ireo asa rehetra ireo. Nambaran-dRandrianasolo Alexandre  talen’ny fondation BOA eto Madagasikara nandritra izany fa hananganan’izy ireo fotodrafitrasa manara-penitra tahaka izao avokoa ireo faritany dimy ambiny. Tanjon’izy ireo ny hahafahana mitsinjo ny zanaky ny Malagasy, indrindra fa ireo any amin’ny toerana somary misitaka kely ny renivohitra. Narahina fanolorana kahie miisa 300 ho an’ny mpianatra izany ho fanampiana azy ireo amin’ny fitaovana ampiasainy.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Fandaharam-pirenena
  • Talata 20 Oktobra 2026

momba ny fanatanjahantena

  • Jhona Iberanandrasana
  • Talata 20 Oktobra 2026

- MRM

  • XXL LAST
  • Talata 20 Oktobra 2026

RACE BY CARREFOUR

  • ActualitĂ©s
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

Minisitra Fanirisoa Ernaivo

  • Halatra amin’ny
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

fifandraisan-davitra Andrasana hatrany

  • Raharaha
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

famoahana sinoa 11

Hijery ny tohiny
FTT