Actualités

Fokontany 67ha Nord-Ouest Hamaha ny olan’ny tanora ny fikambanana 67one


  • Zoma 08 Aprily 2016

Mba hanarenana ny laza ratsy mandoto tato ho ato ny fokontany 67ha Avaratra Andrefana sektera-I izay voatonontonona an-gazety noho ny

 

resaka tsy fandriampahalemana sy fivarian-davon’ireo tanora dia mijoro ny fikambanana 67one hitondra anjara biriky hamaha izany olana izany. Tanjona ny hanampy ireo tanora sy ankizin’ny fokontany amin’ny lafiny maro. Anisan’ny fandaharanasan’ny fikambanana ny hanorina fotodrafitrsa fialamboly sy fanaovana fanatanjahantena ho azy ireo mba tsy ho variana amin’ny fidorohana zavamahadomelina sy asa ratsy. Nanana ny lazany tsara iny tanana iny tamin’ny fotoan’androny ary namoaka olomanga maro tamin’ny sehatra samihafa, ankoatra ny fanatanjahantena sy kolontsaina ka tanjon’ny fikambanana ny hamerenana izany indray izao. Ho an’ny fanatanjahantena fotsiny mantsy dia namoaka sangany maro ny tanàna tamin’ny taranja tsipy kanetibe sy baskety,... Miara-misalahy amin’ny fanatentarahana ny tetikasa hirafitra atsy ho atsy ny fikambanana 67one miaraka amin’ny fokontany.

Rasanda Serge


Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Tale
  • Zoma 30 Oktobra 2026

mpanatanteraky ny ONTM

  • Taorian’ny
  • Zoma 30 Oktobra 2026

fandevenana an-janany

  • Creative Minds
  • Zoma 30 Oktobra 2026

Madagascar andiany faha-3

  • CENTRE
  • Zoma 30 Oktobra 2026

SEMBANA MIJORO

  • Kolikoly avo
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

lentan’ireo mpitondra teo aloha

Hijery ny tohiny
FTT