Efa saika nahavita ny fanavaozana ny lisi-pifidianana tao aminy avokoa ireo fokontany 31 misy ato anatin’ny Boriborintany faha-VI amin’izao ankatoky ny fahatongavan’ny 31 janoary daty farany noferan’ny lalŕna hanatanterahana izany, hoy Atoa Rakotonirina Edmond filohan’ny fikambanan’ny
31 fokontany eny amin’ity Boriborintany ity omaly. Raha ny tatitra azoko amin’izany maha-filoha mpitarika ireto namana ireto izany, hoy izy, no ahafahako milaza izany. Misy koa ireo filoham-pokontany tonga dia nanatitra nivantana any amin’ny CED ny lisitra teo am-pelatanany. Vakiraoka ihany anefa ity lisitra nohavaozina ity ka nanalana ireo maty sy niala ny fokontany ary nampidirana ireo feno taona sy ireo olona vaovao niditra tao amin’ny fokontany. Tsorina, hoy ity filohan’ny fikambanana 31 fokontany ity, fa vitsy dia vitsy ireo olona tonga nanamarina ny anarany tao anatin’ny lisitra narafitray noho ny antony samihafa.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.