Samy nanamafy ny hidim-baravarany sy samy nihainohaino ny fandehan-javatra ny mponina tao Anjoma Toamasina ny sabotsy nifoha ny alahady tokony ho tamin’ny 01ora sy sasany
raha nahare feom-basy napoakan’ny polisy tamin’ny fanenjehana jiolahy.
Ny maraina vao nifanontany. Araka ny angom-baovao tamin’ny kaomisera misahana an’i Toamasina renivohitra dia nahazo antso izy ireo fa misy jiolahy dimy mamaky ny OTIV Soliraf ao Anjoma. Avy hatrany dia tonga ny vondron’ny polisy avy eo anivon’ny UIR (Unité d’Intervention Rapide) ka raikitra ny fifanenjehana. Voatery nanapoaka basy ny polisy nanao tifi-danitra nampijanonana ireo jiolahy. Tratra ny iray, tafatsoaka ny efatra. Anatin’ny famotorana azy ny polisy amin’izao.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.