Mba ho fanohanana ny kaominina Antananarivo renivohitra, indrindra tsy hitondra vesatra loatra ho an’ny mpitondra dia hanao angaredona hanadio ny tatatra sy hanala ny tsikafona rehetra manerana ny faritra misy azy ireo Fokontany mandrafitra ny Boriborintany faha-efatra, tarihin’ny delege Ratsisetraina David.
Avy hatrany dia hihetsika izy ireo hahafahana mirosoka ny tondra-drano mandritra ny fotoam-pahavaratra izay nahazo fianakaviana maro tao amin’ireo Fokontany ireo tamin’ny taon-dasa. Ny Sabotsy 09 Janoary ho avy izao no hotanterahina ny asa ka ankoatra ny tatatra madinika eny amin’ny manodidina sy ny fanalana ny tsikafona izay manangona ny rano dia hisy ihany koa ny fanadiovana ny tatatra be GR sy ny tatatra C3 izay mampifandray ny Fokontany rehetra. Mbola hamoaka vola ihany koa ny isam-pokontany aorian’izany hividianana solika hitatitra ny fako avy Alana ao anaty tatatra mba hananana Tanana madio sy milamina. Tsiahivina moa fa anisan’ny mafana foa ao anatin’izao hetsika izao ny Fokontany Anosibe Angarangarana, tarihin’ny filohany Maharitra Ali Petera.
Pati
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.