Lasan’ny fiangonana FVKFM ny foiben-toeran’ny antoko HVM tetsy Antanimena, ary efa nohavaozina sy niova loko tanteraka.
Tamin’ny fifidianana filoham-pirenena farany teo, dia efa tsy nampiasa an’io toerana io intsony ny filoha teo aloha Hery Rajaonarimampianina, fa nanangana foiben-toerana azy manokana teny Andraharo. Somary efa nizara roa ihany koa ny ekipa tamin’io fotoana io, ankoatra ireo namadika palitao. Ankehitriny ny HVM, dia tsy re tsaika intsony satria na amin’ny fifidianana depiote aza tsy misy mitondra ny lokon’io antoko io. Na izany aza, dia misy amin’ireo misafidy ny handeha amin’ny anaran’ny tenany manokana na amina anarana fikambanana vao natsangana no mbola ao anatin’ny HVM, ka paikady politika mihitsy no mety ho anton’izay. Tompon’andraikitra ambony tamin’ny andron-dRajaonarimampianina, toy ny minisitra maromaro no nirotsaka hofidiana depiote, tahaka an-dry Marie Monique Rasoazananera any Ambositra, Mamy Lalatiana Andriamanarivo any Faratsiho, Beboarimisa Ralava any Manakara,… Ho hita eo ny tohiny aorian’ny fifidianana na hamondron-kery izy ireo raha lany satria politika no atao.
Toky R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.