Hotanterahina ny 13 hatramin’ny16 mey ho avy izao any Antsirabe, renivohitry ny Faritra Vakinankaratra ilay foara ara-toekarena z’ovy andiany fahatelo karakarain’ny Faritra.
“Festival” no anarana nampitondraina azy teo aloha. Naroso amin’ny volana mey ny fotoana hanaovana ny hetsika, hoy ny lehiben’ny Faritra Vakinankaratra Andrianjanaka Mirindra Albert mba hahafahana mampahafantatra ny rehetra ireo karazam-bokatra misy ao Vakinankaratra amin’ny fotoanan’ny miaka-bokatra. Isaky ny volana volana septambra na oktobra mantsy izy io teo aloha. Tanjona ny hampivelatra sy hampandroso hatrany ny toekaren’ny faritra ankoatra ny fanatsarana ny fifandraisana eo amin’ny tolotra sy ny tinady. Tranoheva an-jatony no handray anjara ao izay samy hampahafantatra sy hampiranty ny vokany avokoa. Lohahevitra maro no hovoaboasana ankoatra ireo hetsika maro samihafa. Anisan’ny laharam-pahamehana ny resaka angovo azo havaozina. Tsy azo hodian-tsy hita izany, hoy ny lehiben’ny Faritra satria mitombo hatrany ny filana isan-taona, indrindra raha hisokatra ihany koa ny groupe TIKO ao Antsirabe.
Pati
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.