Hotanterahina eny amin’ny Forello Expo Tanjombato ny 24 ka hatramin’ny 27 novambra ho avy izao ny « Salon de l’Industrie de Madagascar ». Hifanontona amin’ny Frankofonia ity andiany fahatelo ity.
Tombony lehibe ho an’ny Malagasy izany, hoy Rajaonera Fredy, filohan’ny Sendikan’ny Indostria eto Madagasikara satria hahafahana manasongadina ireo zava-bitan’ny indostria Malagasy. Ny “Vita Malagasy” rahateo no tena homena vahana mandritra io hetsika io ao anatin’ilay lohahevitra hoe : « Tiako ny antsika ». Hatreto dia ny 80 %-n’ny toerana no efa feno, an-jatony kosa ireo tranoheva handray anjara.
Pati
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.