Nodimandry tampoka teo amin’ny faha-44 taonany omaly 7 jolay halina ny solombavambahoakan’i Madagasikara teo aloha voafidy teny amin’ny distrikan’Antananarivo Harijaona Randriarimalala na Jaona Elite.
Teo am-pijerena baolina an-kalamanjana teny amin’ny Akoor Digue nanohana ny Barean’i Madagasikara niaraka tamin’ireo namana aman-tsakaizany izy no tojo tsy fahasalamana tampoka na “malaise”, raha ny vaovao azo. Nentina tao amin’ny Hopitaly Manara-penitra eny Andohatapenaka fa tsy tana ny ainy. Fijanonan’ny fitempon’ny fo tampoka no voalaza fa niteraka ny fahafatesany. Mpandraharaha teo amin’ny tontolon’ny teknolojia no tena nahafantarana an’i Jaona Elite satria izy no namorona ny orinasa Elite GSM, anisan’ny orinasa Malagasy voalohany nisehatra tamin’ny fivarotana finday teto Madagasikara. Niitatra izany taty aoriana ka niditra tamin’ny fampidirana ny marika “Techno” ihany koa izy, izay marika nanana ny nampiavaka azy teto Madagasikara na eo amin’ny lentany na kalitao. Fanta-daza eo amin’ny tontolon’ny hazakazaka fiarakodia haingam-pandeha (Run) ihany koa izy, ary matetika nibata amboara. Taty aoriana, ny taona 2013 izy no nirotsaka hofidiana ho depiote teny Antananarivo Atsimondrano tamin’ny anaran’ny sehatra tsy miankina, ary lany soa aman-tsara. Nanohana ny Vondrona parlemantera nanohana ny filoha Hery Rajaonarimampianina izy, izay filohan’ny vondrona parlemantera HVM mihitsy, saingy niala sy nisafidy hipetraka ho hery afovoany na “centriste”, taorian’ny faharavan’ny governemanta Mahaly Solonandrasana Olivier. Rehefa nandeha ny fifidianana filoha avy eo, dia nisafidy ny nanohana an’i Andry Rajoelina izy. Niverina nirotsaka ho fidiana solombavambahoaka tamin’ny anaran’ny tenany manokana, ka laharana faha-3 no nisy azy, ary iny fifidianana iny no nanahitana azy farany teo amin’ny tontolo politika. Ny fianakaviamben’ny Gazety Tia Tanindrazana dia miombona alahelo sy mirary fiononana feno ho an’ny fianakaviany manontolo.
Toky R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.