Nilahatra nitondra sorabaventy teny anoloan’ny sampandraharahan’ny fananan-tany ny fokonolona avy eny Androhibe omaly.
Teny amin’ny Carlton Anosy kosa no nitondra ny fanazavana ny tsara ho fantatra mikasika ny fifanolanana eo amin’ny fiangonana loterana sy ny fokonolona Androhibe Rtoa Rasendrasoa Hanitra izay filohan’ny fananan-tany eto amintsika. Nambarany fa nisy fangatahana tany anankiroa nataon’ny fokontany teny Androhibe mikasika ny hanoratana amin-dry zareo ny tany filalaovan’ny tanora baolina ankehitriny. Nolavin’ny fitsarana hatrany anefa izany fangatahana rehetra izany ary efa nivoaka ny “decision de rejet” anankiroa. Noho ny fahatsapan’ny fanjakana fa manan-danja ny fananganana fotodrafitrasa tian’ny Fiangonana hatsangana eo amin’ilay toerana dia natao ho “mise à la disposition gratuite” an’ny FLM hatramin’ny taona 2012 ny toerana, hoy izy. Etsy an-kilany, ny fokontany koa, hoy ity tompon’andraikitra ity, dia tsy manana zo hangataka tany fa na ny kaominina na ny minisiteran’ny atitany mpiahy azy no afaka manao izany. Na eo aza izany dia eo an-dalam-pikarohana vahaolana hamahana ny fifanolanana eo amin’ny roa tonta ny fanjakana.
Ntsoavina Evariste
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.