Actualités

FLM Sambava Potika ny lakilem-piangonana, nifandroritana ny «orgue»


  • Alatsinainy 12 Oktobra 2015

Rotaka indray no niafaran’ny fotoam-pivavahana tao amin’ny FLM Sambava omaly, mbola tohin’ny raharaha tsy fahatanterahan’ny famindran-toerana ny pastora tompon-toerana tao no antony.

 

 Nisy andian’olona tonga tao am-piangonana omaly namotika ny fanalahidin’ny Fiangonana ka nanolo izany tamin’ny fanalahidy efa voaomana avy any, mba hahafahan’izy ireo mifehy ny fivoahana sy fidirana an’ity tranon’Andriamanitra ity. Tsy nijanona teo ny raharaha, fa nifandrotehana ihany koa ny zavamaneno «orgue» sy ny fanamafisam-peon’ny Fiangonana ary teo no raikitra indray ny fifanjevoana. Ny mampametra-panontaniana ny mpino dia ny fahanginan’ireo ambaratongan-drafitra amin’ny Loterana manoloana ity savorovoro tsy manam-piafarana ao amin’ny FLM Sambava tampon-tanàna ity. Vokatr’ity zava-nitranga omaly ity dia nametraka fitoriana any amin’ny polisy ihany koa ny kristianina mikasika ireo fitaovana simba sy nalaina ireo, fitoriana fanindroany nipetraka io taorian’ny fifampikasihan-tanana tamin’ny alahady heriny. Fitoriana izay tsy hay na hisy tohiny na hijanona amin’izao ?


Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Ahiahina tsikombakomba
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

avo lenta ara-tany ao Mantasoa

  • Pr Jonah Ratsimbazafy
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

«Efa hita fa tsy mety ny

  • Afera boeing
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

mety hafindra ady heloka bevava

  • Afera sy halatra tany,
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

fanararaotam-pahefana,…

  • COMESA Media Award
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

Lasan’ny mpanao gazety

  • Nanaitra
  • Talata 27 Oktobra 2026

ny Jirama ny PRRM

Hijery ny tohiny
FTT