Actualités

FLM Atsimo Atsinanana Katekista an’arivony atao mpikambana CNaPS


  • Alatsinainy 15 Aprily 2019

Mpitondra fiangonana (FLM) manodidina ny 200 avy amin’ny fileovana 33 ao anatin’ny synodam-paritany Atsimo Atsinanana no nahazo fiofanana avy amin’ny tahirim-pirenena momba ny fiahiana ara-tsosialy (na CNaPS) tao amin’ny FLM Fiadanana Farafangana, nandritra ny telo andro.

 

 

 

Pastora, talen’ny sampandraharaha, tonian’ny sampam-pikambanana no nahazo tombontsoa tamin’ny fiofanana momba ny fiahiana ara-tsosialy. Nojerena manokana ny fomba hampidirana ireo Katekista 1 003 ao anatin’ny valaben’ny CNaPS raha toa ka miisa 1 042 izy ireo ao anatin’ny Synoda. Ho tohin’ny fiofanana izay nomena ny FLM tamin’ny taon-dasa no naharesy lahatra ny mpitondra Fiangonana Loterana Malagasy hiroso amin’ny dingana lehibe dia ny fampidirana mpikambana ho CNaPS ireo Katekista ao aminy. Toy ny orinasa tsy miankina rehetra dia fehezin’ny lalàn’ny fiahiana ara-tsosialy ny fiangonana, ka ny mpampiasa dia didin’ny lalàna mba hampiditra ny mpiasany ho mpikambana CNaPS dimy ambin’ny folo andro (15 andro) aorian’ny fisokafan’ny orinasa. Andraikitry ny mpampiasa ihany koa ny manoratra ireo mpiasa eny anivon’ny CNaPS ary manefa an-tsakany sy an-davany ny latsakemboka mba hahafahan’ny mpiasa migoka ny zony. Ho an’ny eo anivon’ny FLM (Fiangonana Loterana Malagasy) manokana dia atao ho vaindohan-draharaha ny fanoratana ireo Katekista eo anivon’ny CNaPS mba tsy hahavery zo azy ireo, indrindra amin’ny maha mpiasam-piangonana azy. Ka izay no antony nanomezan’ny CNaPS tohana ireto tompon’andraikitry ny fiangonana loterana tany Farafangana ireto. Efa misy mpiasa mpikambana CNaPS ao anatin’ny Synodam-paritany Atsimo Atsinanana. Anisan’izany ireo Pastora miisa 147 ka ny 10 amin’ireo dia tale sy tonian’ny sampandraharaha ary  ny 96 kosa dia mpiasan’ny sampana.

 

RTT

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Fandaharam-pirenena
  • Talata 20 Oktobra 2026

momba ny fanatanjahantena

  • Jhona Iberanandrasana
  • Talata 20 Oktobra 2026

- MRM

  • XXL LAST
  • Talata 20 Oktobra 2026

RACE BY CARREFOUR

  • Actualités
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

Minisitra Fanirisoa Ernaivo

  • Halatra amin’ny
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

fifandraisan-davitra Andrasana hatrany

  • Raharaha
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

famoahana sinoa 11

Hijery ny tohiny
FTT