Nivoaka omaly ny didim-pitsarana ka voaheloka higadra 5 taona, sazy mihatra, miampy didy fampisamborana teo ampamoahana ny didy ny mpandraharaha , Fleury Rakotomalala,
izay tsara ho marihana fa anisan’ny kandida filoham-pirenena tamin’ny 2013 saingy nahintsan’ny HCC tahaka an’i Lalao Ravalomanana sy Didier Ratsiraka tamin’izany fotoana moa. Nohenjehina noho ny raharaha fisolokiana tamin'ny asa nataony teny amin'ny fiantsonam-piarakodia eny Ambohimanambola tao anatin’ny fitondrana teo aloha ny tenany, raha ny fampitam-baovao. Io orinasa voalaza ho nosolokiany io no nametraka fitoriana. Voaheloka ho nisandoka andraikitra tamin'izany fotoana izany ihany koa izy ary nanao hosoka sy nampiasa hosoka. Ny fitsarana frantsay no andrasana hampihatra ity didy navoakan’ny fitsarana malagasy ity, raha ny fampitam-baovao hatrany. Mbola afaka manohitra, io didy navoaka io i Fleury Rakotomalala sy ny mpisolo vava azy raha ny nambaran’ny mpitsara iray nanontaniana omaly.Izy rahateo, izay voakasiky ny fitoriana dia tsy nanatrika ny raharaham-pitsarana.Mazava tsara ny fiampangana saingy na izany aza dia maro no mihevitra fa mety misy ambadika politika ihany izao raharaha izao satria anisan’ireo olona manohitra mafy izao fitondrana izao amin’ny alalan’ny famoahana vaovao sy tsiambaratelo amin’ny facebook i Fleury Rakotomalala.Ho hita eo ihany ny fivoaran’ny toe-draharaha.
J. Mirija
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.