Sokajian’ny solombavambahoakan’i Madagasikara Rajohnson Mamy ho fanapotehana tsotra izao ny maha izy azy ny renivohitry ny firenena Malagasy efa nipetraka hatramin’ny taonjato maro nifandimby ny finiavan’ny mpitondra fanjakana ankehitriny hisisika hampandany ny volavolan-dalàna fampizarazarana ny renivohitra
. Midika tsy fahalalan’ireo mpikambana ao amin’ny fahefana mpanatanteraka ireo trangan-javatra nanamarika ny tantaran’i Madagasikara nolalovan’ny vahoaka Malagasy izay mifamatotra hatrany amin’ny tantaran’Antananarivo io fanapahan-kevitra io, hoy ny depioten’ny boriborintany faha-3. Tsy mandà ny fandinihana arahina adihevitra momba ity fikasan’ny fitondram-panjakana hanavao ny sata hifampifehezana ny renivohitr’i Madagasikara ity olom-boafidy avy amin’ny ankolafy Ravalomanana ity. Mahasarotiny azy kosa anefa ny fahafantarana amin’ny antsipiriany ny momba ny fahefan’ilay ben’ny tanàna hitantana ireo kaominina boriborintany miisa 16.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.