Raha tazana nifanotrona tamin’i Neny Lalao Ravalomanana teny an-kianjan’i Magro Behoririka ny ankamaroan’ireo mpitolona niara-dia ary tsy nivadi-belirano tamin’ny fanohanana ny filoha teo aloha Marc Ravalomanana tahaka an-dry Login, Manoela, Eric, Brenda, Ignace …
dia maromaro ihany koa ireo mpitari-tolona taloha nivadika palitao tazana teny amin’ny lanonana fizarana kahie nataon’ny HVM teny amin’ny kianja mitafon’i Mahamasina ny sabotsy teo. Tazana tao ohatra ary samy niakanjo ny tee-shirt HVM mihitsy ankoatra an’i Rina Andriamandavy 7, ry Depiote Félix avy any Ambatondrazaka, ry Fa-Bergé raha tsy hitanisa afa-tsy ireo monja isika. Nahafa-kenatra tamin’ny tsy fahafenoana ny kianja mitafon’i Mahamasina tamin’io sabotsy ny antoko HVM satria dia fenon’ireo fianakaviamben’ny fikambanana Ambalambahoaka niaraka tamin’ny ampahana Malagasy Mijoro sy Marovahoaka vitsivitsy nanampy azy ireo ny tao anatin’ity kianja ity. Ankizy 500 avy isaky ny boriborintany 6 eto an-drenivohitra no nizarana ireo kahie nanodidina ny 260 000 ka hatramin’ny 300 000 isa. Kahie miloko manga ary misy ny soratra HVM no nozaraina tamin’izany. Nambaran-dRtoa Andrianarivoson Nicole mpikambana ao amin’ity antoko ity ary anisan’ireo mpikarakara ny hetsika fa tafiditra ao anaty hetsika fampirisihana ny kilonga malagasy hiditra sy hiverina an-tsekoly izao atao izao ka mahatsiro manana andraikitra amin’izany ny HVM. Tsy eto Antananarivo ihany moa no hanatanterahana ny hetsika fa hoentina manerana ny Nosy araka ny filazany. “Au grand complet” ny mpitarika HVM notarihan’ny filohany teny Mahamasina tamin’io sabotsy io.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.