415 mpizahatany, 225 ekipazy, mitotaly 650 ny tao anatin’ilay sambo Voayageur. Izy ity no sambo mpitondra mpizahatany faharoa niantsona tao amin’ny seranan-tsambon’i Ehoala taorian'ny nandalovan'ny Eoropa 25 desambra teo. Miteny anglisy ny ankamaroan'izy ireo satria ny 343 teratany Britanika, ny 51 Amerikana ny ambiny miteny Frantsay
. Nilamina ny fandrindrana nataon'ny ofisim-paritry ny ny fizahantany Anosy araka ny nambaran'ny filohany, Anick Miza Voahirana. Satria na ireo mpanao fitanterana na ireo mpitari-dalana sy mpanakanto samy mpandraharaha, sy ireo mpanao asa tanana malagasy mampiavaka iny faritra iny samy nahazo ny anjarany avy. Marihina fa sambany i Voyageur Pakebo vao nivahiny tany an-toerana. Tapak'andro ihany no nijanona tao an-toerana. Fotoana fohy nahafantaran'ireo vahiny ny hakanton'i Taolagnaro sy ny kolontsaina misy. Betsaka tamin'ireto vahiny no mihevitra ny mbola hiverina amn'ny manaraka. Nambaran-dry zareo Auximad, anisan'ny tomponandraikitry ny pakebo fa nandalo tatsy amin'ny nosy La Reunion ity sambo ity izao tonga tao Ehoala ary hanohy ny diany any Richardbye Afrika Atsimo.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.