Actualités

Fizahantany-Madagasikara Vahiny 1 tapitrisa no tanjona hatramin’ny taona 2020


  • Alatsinainy 18 Aprily 2016

Nisokatra tamim-pomba ofisialy ny faran’ny herinandro teo ny zotram-piaramanidina vaovao mampitohy an’Antananarivo sy Istanbul, renivohitr’iTorkia, mitondra ny anarana hoe :

 

 « Turkish Airlines ». Ny mba hahafahan’i Madagasikara mandefa entana any Torkia no tanjona hahafahana misarika mpizahatany vahiny ho avy eto amintsika hatrany amin’ny 1 tapitrisa amin’ny taona 2020. Ankoatra izay dia tafiditra ao anatin’ny tanjona napetraka ihany koa ny mba hahafahana mampiroborobo ny sehatra ara-barotra eo amin’ny tany roa tonta. Ny faran’ny herinandro teo no nampahafantaran’Atoa Volcan, masoivohon’i Torkia miasa sy monina eto amintsika izany tetsy amin’ny hotel Carlton ka  amin’izao fiandohany izao  dia  fiaramanidina telo isan-kerinandro no hampitohy ireo tany roa ireo raha hahatratra dimy izany amin’ny volana oktobra. Hampiavaka ity zotram-piaramanidina Turkish Airlines ity moa ny fahafahany mampitohy renivohitra miisa 270 maneran-tany ho an’ireo izay mampiasa azy. Tsiahivina fa anisan’ny firenena kely i Torkia raha oharina amin’i Madagasikara. Mahatratra hatrany amin’ny 30 tapitrisa isan-taona anefa ireo mpizahatany vahiny tonga any an-toerana izay ezahina ho avy hitsidika ny firenentsika avokoa. Amin’ny ankapobeny mantsy dia i Madagasikara no manan-karena zavaboary sy biby ary loharanon-karena  tsy fahita eran’izao tontolo izao raha oharina aminy.

Pati

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Tale
  • Zoma 30 Oktobra 2026

mpanatanteraky ny ONTM

  • Taorian’ny
  • Zoma 30 Oktobra 2026

fandevenana an-janany

  • Creative Minds
  • Zoma 30 Oktobra 2026

Madagascar andiany faha-3

  • CENTRE
  • Zoma 30 Oktobra 2026

SEMBANA MIJORO

  • Kolikoly avo
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

lentan’ireo mpitondra teo aloha

Hijery ny tohiny
FTT