Actualités

FIZAHANTANY ANY AMIN’NY DISTRIKAN’IHOSY


  • Zoma 23 Oktobra 2015

Betsaka ireo mety ho very asa, hoy ireo Ben’ny Tanana Manahy mafy ny mety ho avin’ny tontolon’ny fizahantany any amin’ny faritra misy azy ireo Ben’ny Tanana manerana ny distrikan’Ihosy, faritra Ihorombe


. Raha araka ny tafa nifanaovan’izy ireo tamin’ny mpanao gazety omaly mantsy dia nakarin’ny minisitera tompon’andraikitra ho 65.000 Ar ny saram-pidiran’ireo mpizahatany tonga mamonjy ireo valanjavaboary any an-toerana raha 25.000 Ar teo aloha izay nitombo 130 % be izao. Tafakatra 480 % izany hoy izy ireo raha mijanona telo andro ireo mpizahantany ary mahatratra 640 % kosa raha tafakatra enina andro izany. Eo an-danin’izay anefa raha araka ny fanazavan’i Mionjo Andriamampandry, Ben’ny tanànan’i Ranohira dia mandalo ao Ranohira avokoa ny 80 %-n’ireo mpizahatany vahiny tonga eto Madagasikara. Vokany, manahy ny mety hampihena ireo mpizahatany vahiny ireo izy ireo, antony iray mety hiteraka tsy fananan’asa marobe any amin’ny faritra misy azy, ankoatra ny resaka tsy fandriampahalemana.

Pati


Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Ahiahina tsikombakomba
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

avo lenta ara-tany ao Mantasoa

  • Pr Jonah Ratsimbazafy
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

«Efa hita fa tsy mety ny

  • Afera boeing
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

mety hafindra ady heloka bevava

  • Afera sy halatra tany,
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

fanararaotam-pahefana,…

  • COMESA Media Award
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

Lasan’ny mpanao gazety

  • Nanaitra
  • Talata 27 Oktobra 2026

ny Jirama ny PRRM

Hijery ny tohiny
FTT