Haneho ny firaisankinany amin’ny rehetra ireo mpikambana ao amin’ny FIZAFATO na ny fikambanan’ny zanaka am-pielezan’ny Faritany Toliara.
Ny alahady 1 mey ho avy izao no hanatontosany izany etsy amin’ny lapan’ny kolontsaina sy ny fanatanjahantena Mahamasina sady hifampiarahabana sy hifampirarian’izy ireo soa ihany koa noho ny fahatongavan’ny taona vaovao 2016. Manodidina ny 5.000 ireo vahiny andrasana ho avy hanatrika ny lanonana. Tafiditra ao anatin’izany avokoa ireo solontenan’ny fikambanana manerana ny faritra maro eto Madagasikara. Hetsika maro no entina hanafanana ny lanonana toy ny hetsika ara-kolontsaina mampahalaza ny faritanin’i Toliara. Tsiahivina fa avy amin’ny faritra enina eto Madagasikara no fiavian’ireo mpikambana ao amin’ny FIZAFATO. Fotoana handraisana mpikambana vaovao ihany koa amin’io andron’ny Alahady 1 mey ho avy io.
Pati
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.