Actualités

Fivorian’ny COMESA I Tarzan Ndremitsara no hitarika azy


  • Talata 06 Novambra 2018

Hotanterahina ny 7 ka hatramin’ny 9 novambra izao, izany hoe manomboka rahampitso, ny fivoriana momba ny varotra iraisan’ireo firenena mikambana ao anatin’ny rafitra iraisampirenena COMESA na ilay antsoina hoe “commerce transpontanière”.

 

 

 Araka ny fanazavan’ny tale jeneraly lefitra misahana ny antontan’isa eto amintsika, Tarzan Ndremitsara, dia miova isan-taona ny mpitarika ity fivoriana ity ary isika izany no hitarika izany mandritr’io 3 andro io. Any Lusaka, Zambia, moa no atao ny fivoriana, hoy izy, ary satria ny tenako no delegasionina ho any dia izaho izany no hitarika izany, hoy hatrany ity DGAn’ny INSTAT ity. Tafiditra ao anatin’ny fanatanterahana ny paikadin’ny COMESA mikasika ny resaka antontan’isa rahateo, hoy izy, izany fivoriana izany. Tafiditra ao anatin’ny FED andiany faha 11 ihany koa na ny tahiry ekonomika ho an’ny fampandrosoana. Efa voasonia io ary mbola ho avy ihany koa ny fifanaovan-tsonia mikasika ny resaka fifanakalozan ara-barotra ranofotsiny. Tombony ho antsika amin’ity fivoriana ity moa, raha ny fanazavany tetsy amin’ny biraony etsy Anosy omaly, ny fidirana lalina kokoa amin’ny fandrosoana amin’ny resaka fikirakirana antontan’isa mba hirindra amin’ny fenitra iraisampirenena. Efa miha mandroso amin’io ny INSTAT, hoy ny fanazavana. Tafiditra ao anatin’izany ny resaka fanisana ankapobeny sy torohay amin’ny varotra na “indice des prix”. Isany koa ny fifampizarana traikefa amin’ireo firenen-kafa hahafahana mampitaha ny fiarovana ireo indostrie eto amintsika sy hirosoana amin’izany fanatsarana ny fiarovana izany. Manankarena manam-pahaizana momban’ny varotra tsinona, hoy izy, I Madagasikara saingy ilaina izay fifampizarana traikefa izay mba tsy hivarotana entana amin’ny tsy tena tokony ho vidiny akory.

J. Mirija

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Olona maro efa
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

nosamborina tamin’ny afera sinoa 11

  • Nanao ampamoaka
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

sy nampiaka-peo PRRM

  • Voahoso-potaka
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

i Tahina Razafinjoelina

  • Randriantsoa Jimmy
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

Lasa tsy anatin’ny soa

  • VOVONANA TANTANA
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

Tokony hijery tsara ireo

  • Fetison
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

Rakoto Andrianirina

Hijery ny tohiny
FTT