Actualités

Fivorian’ny Frankôfônia Tsy laharam-pahamehana


  • Alarobia 10 Febroary 2016

Araka ny tatitry ny fandaharan’asa iraisam-pirenena miady amin’ny tsy fanjarian-tsakafo na programme alimentaire mondiale (P.A.M.) dia mahatratra iray tapitrisa ny isan’ny ireo olona tratry ny tsy fahampian-tsakafo na kere any amin’ny faritra atsimon’ny nosy

 

. Any avaratry ny nosy indray dia tapaka avokoa ireo lalam-pirenena famatsiana ireo distrika marobe noho ny afitsoky ny fiakaran’ny rano. An’aliny ireo traboina amin’ireo faritra maro any avaratry ny nosy. Vao omaly, nandritra ny atrikasan’ny minisiteran’ny Fahasalamana teny Ivato no nahafantarana fa renim-pianakaviana 10 isan’andro no maty eo am-piterahana noho ny tsy fahatomombanana eo amin’ny fikarakarana. Any amin’ireo distrika lavitr’andriana dia velon-taraina ihany koa ireo ray aman-drenin’ny mpianatra fa tsy hita ireo mpampianatra FRAM izay nomen’ny fanjakana asa. Ireo tranga vitsivitsy ireo dia tanisaina mba hisarihana ny sain’ny mpamaky hoe tena tafiditra ao anatin’ny laharam-pahamehana tokoa ve ny fandaniana mihoapampana 20 miliara ariary sy ny hafa vao hotadiavina amin’ny fanomanana ny fivorian’ny frankofonia eto Madagasikara amin’ny volana novambra ? Sao mantsy lahy matimatim-boninahitra fotsiny ihany ny fanjakana malagasy haka tahaka ny nataon’ny firenen-kafa amin’ny fandraisana ny fivoriana io kanefa ny vahoaka entina mivaofy akondro vava. Ampanantenain’ny mpitondra fanjakana mantsy faha hanokatra lalana maro ho an’i Madagasikara ny fandraisana fivoriana kanefa ny vola kely hananana indray no lany hamatsiana izany. Dia tokony ho gaga ve isika raha mbola mihenahena indray anio ny vondrona eoropeanina hamoaka ny vola fanampiana an’i Madagasikara mandritra ny lahadinik’asa iarahany amin’ny praiminisitra etsy Ankorondrano. Tsikaritra mantsy fa dedaka, taitaitra, matimatin-dera sy tia voninahitra ny mpitondra antsika amin’izao fotoana ka ny hisehoseho no handaniana vola sy fotoana fa raha vahoaka kere na lalana tapaka, raha tsy tairina tsy mahalala mandeha mijery sy manampy.

Andry Ratovo

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Tale
  • Zoma 30 Oktobra 2026

mpanatanteraky ny ONTM

  • Taorian’ny
  • Zoma 30 Oktobra 2026

fandevenana an-janany

  • Creative Minds
  • Zoma 30 Oktobra 2026

Madagascar andiany faha-3

  • CENTRE
  • Zoma 30 Oktobra 2026

SEMBANA MIJORO

  • Kolikoly avo
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

lentan’ireo mpitondra teo aloha

Hijery ny tohiny
FTT