Nifarana omaly ny fitsidihan’ny sekretera jeneralin’ny OIF Rtoa Michaelle Jean an’i Madagasikara. Nambarny nandritra ny resaka nifanaovany tamin’ny mpanao gazety fa mendrika ny handray ny
fihaonana an-tampon’ny tany mampiasa manontolo na amin’ny ampahany ny teny Frantsay amin’ny volana novambra i Madagasikara ary tsy hihemotra ny daty. Nangataka ary nahazo i Madagasikara, hoy izy. Fotoana iray io hahatongavan’ny mpandraharaha ara-toekarena vahiny eto, hisokafan’i Madagasikara amin’ny any ivelany ary hahafahana mikaroka lalam-barotra maro ihany koa. Mila mampiseho ny maha izy azy sy ny zavatra mampiavaka azy amin’izao tontolo izao i Madagasikara, hoy Rtoa Michaelle Jean, hahazo tombony manokana ny tanora satria hisy ny fifanakalozana ara-kolotsaina, hisy ihany koa ny asa miforona noho ny fanomanana ny fivoriambe. Notsindriany fa tokony hohamafisina tsara ny fitandroana ny filaminana. Firenena manodidina ny 80 moa no ho avy eto Antananarivo mandritra ity fivoriana ity ka mety ho anisan’ny vahiny lehibe amin’izany ny filoha Frantsay sy ny praiminisitra Kanadianina. Mitaky asa sy fepetra henjana ny fiarovana ireto filoham-panjakana avy amina firenena matanjaka roa ireto. Momba ny fitakiana ireo nosy manodidina kosa na ny îles éparses dia efa mandeha ny fifampiraharahana eo amin’i Madagasikara sy Frantsa, hoy ny sekretera jeneralin’ny OIF ary ny firenena roa tonta ihany no hifanaraka momba ireo nosy ireo. Hihazo an’i Seychelles sy Maorisy indray moa taorian’ny diany teto Madagasikara Rtoa Michaelle Jean.
RTT
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.