Taorian’ny fananganana ny vovonana “Firaisankina ho Fampandrosoana ny Tanindrazana” na ny FFT
izay hivondronan’ireo minisitra efatra am-perinasa ankehitriny, ny solombavambahoaka avy amin’ny faritra sy ny loholona maro dia nivoaka tamin’ny fahanginana indray ny mpikambana omaly manoloana ny fandraisantsika ny fihaonana an-tampony faha-16 an’ireo tany mampiasa ny teny frantsay na ny frankofonia izay tanterahina eny amin’ny efitrano fandraisana fivoriana iraisam-pirenena eny Ivato nanomboka omaly. Nambaran’izy ireo fa na sahirana aza ny vahoaka malagasy dia tena hitondra fanovana be ho an’ny firenentsika tokoa ny fandraisana ity frankofonia ity. Notsindriany tamin’izany ny lafiny ara-toekarena. Ny fikambanan’ireo firenena mampiasa manontolo na ampahany ny teny Frantsay no mitana ny 16 % -n’ny harinkarena faobe maneran-tany. Toraka izany koa ny lafiny ara-tsosialy izay nambarany fa hampivelatra ny foto-piveloman’ny maro toy ireo mpanao asa tanana ka tokony hojerena ihany ny lafy tsarany sy ny mety ho vokany. Tsiahivina fa vovonana miray hina ho fampandrosoana ny firenena ny FFT.
Pati
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.