Nifarana omaly zoma 28 aprily 2017 ny fivoriana ara-potoanan’ny mpanolotsaina monisipaly eo anivon’ny kaominina Antananarivo Renivohitra, izay naharitra 10 andro.
Nisy ny tatitra nataon’ny Ben’ny tanàna Lalao Ravalomanana sy ny mpiara-miasa aminy mikasika an’ireo asa vita nandritra ny taona 2016 izay nandalo tsirairay teo anivon’ny mpanolotsaina monisipaly. Nahafapo ny ankamaroany ny vokatra na dia nisy aza ireo tsy tomombana, ka ezahina hasiana fanatsarana. Araka ny fangatahana nataon’ny mpitatitra, indrindra ny fiarakaretsaka mikasika ny “droit” kosa dia tapaka tao amin’ny filakevitra monisipaly fa ny “droit de visite” dia tsy maintsy mijanona ho 5000Ar isaky ny efa-bolana satria hoentina hanatsarana ny fitaterana fa ny “droit d’agrément” kosa no nofoanana. Tapaka ihany koa ny fanomezana alalana ireo mpivarotra 16 hiditra eo amin’ny Esplanade Analakely (lot numero 1) ary hisy ny fepetra sy ny “convention”. Nomena alalana ihany koa ny mpanatateraka amin’ny fikarakarana ny tsena etsy Mahamasina. Lany tao amin’ny lahadinika ihany koa ny fanomezana alalana ho an’ireo mpanatanteraka amin’ny fijerena manokana ny toerana hametrahana ireo traboina. Nanampy izany ny fanekena ny fampitondrana ny anarana hoe “Frère Romain” ny zaridaina eny amin’ny ESCA Antanimena ary nisy ny fifanarahana eo amin’ny CUA sy ny sekoly, fa ny sekoly no mikarakara ny zaridaina. Ary farany dia nisy ireo dinika natao tamin’ny Orinasa OMAVET ,AMETIS, Easy Park izay iankinan’ny fampandrosoana ny tanàna.
Toky R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.