Fivoriamben’ny ONU any New York
Tsy sahy nankany ny filoha Rajoelina ?
Actualités
Alarobia 25 Septambra 2019
Partagé sur :
Tanterahina any New York any Etazonia nanomboka omaly 24 septambra ny fivorianambe faha-74 ho an’ny Firenena Mikambana na ny ONU.
Filoham-panjakana sy governemanta hatrany amin’ny 143 no mpandray anjara. Ho an’i Madagasikara, dia ny praiminisitra sady mitazona ny toeran’ny minisitry ny raharaham-bahiny no nalefa any, fa tsy ny filoham-pirenena Andry Rajoelina mivantana.Ity anefa no fivorian’ny ONU voalohany tokony ho natrehany amin’ny maha filoha voafidy azy, ary tena misy lanjany goavana. Raha ny fihetsiny tao anatin’izay 8 volana mahery izay, dia tsy ny filoha Rajoelina mihitsy no hamela fahatany izany fotoan-dehibe izany tsy hatrehiny fa misy “raha” ao, matoa nisafidy ny tsy nandeha. Tsikaritra ho very tanteraka ny fanjakana Rajoelina ao anaty Diplomasia. Vao mainka teboka ratsy ho an’ny fanjakana ny taratasy nalefan’ny Vondrona Eoropeanina ho an’ny momba ny raharaha famatsiam-bola sy fampiasam-bola momba ny lalana, izay nezahina notakonana satria dian-tanan’ny teo aloha, ka ny asa mandeha indray no ahiana ho tapaka. Ny filoha fony izy kandida no nanabatibaty ny fiaraha-miasa amin’ny mpamatsy vola mahazatra, ka nilazana an’i Marc Ravalomanana fa ny hitrosa amin’ny vahiny no mahamaika azy. Vao nivoaka ny firenena voalohany anefa i Andry Rajoelina taorian’ny naha filoha azy, dia ny hanafainganana ny fanampiana an’i Madagasikara no fangatahana voalohany. Tsy misy olona ao anaty fanjakana tena afaka miresaka ka maharesy lahatra ny mpamatsy vola. Maloto pasipaoro hatrany am-boalohany nanomboka tamin’ny fanonganam-panjakana 2009, ary mbola nitohy tamin’ny fifidianana filoha farany teo ny ahiahy. Toa tratry ny tsy fahombiazana ara-diplomatika na « échec diplomatique » ny fitondrana, ka mizotra mankany amin’ny fitadiavana làlam-bola hafa na “financement parallèle”, ka mitangirika any amin’ny sinoa sy ny hafa.