Actualités

Fivoriamben’ny Firenena Mikambana Nolazaina fa namono olona 4000 ny zandary Malagasy


  • Alarobia 25 Septambra 2019

Voaresaky ny ONG anankiray tao anatin’ny Fivoriamben’ny Firenena Mikambana na ny ONU tanterahina any New York Etazonia ny momba an’i Madagasikara.

 

 

 Tao anatin’ny  5 taona dia nisy ny hetsika ara-miaramila nataon’ny zandarimariam-pirenena, ka namonoana olona ankitsirano hatrany amin’ny 4000 na “execution sommaire” tsy mandalo raharaham-pitsarana sy tsy misy fanajana zon’olombelona, raha ny nambaran’io ONG io. Ho an’ny volana aprily-jona 2019, dia tanàna maro tany Betroka no lasibatry ny fanafihana. Any amin’ireo toerana manan-karena harena an-kibon’ny tany, dia nambara fa nisy ny famonoana mba hahakivy ny olona hiala hahafaha-mitrandraka ny harena, hoy ny ankapoben’ny tatitra.

Tsy mitombina

Nandiso tanteraka izany kosa ny avy amin’ny zandarimariam-pirenena fa tsaho izany, raha ny nambaran’ny Kolonely Ravoavy Zafisambatra. Tsy nisy ny famoizana  ain’olona afatsy ny mandritra ny fifandonana amin’ny dahalo. Tsy misy antony mihitsy hamonoana olona tsy manan-tsiny. Ny zandary dia manatanteraka ny asa fampandriana fahalemana no ataony any Atsimo, ary ao anatin’ny fanarahana tanteraka ny lalàna sy ny zon’olombelona. 

 

Toky R

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Actualités
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

Minisitra Fanirisoa Ernaivo

  • Halatra amin’ny
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

fifandraisan-davitra Andrasana hatrany

  • Raharaha
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

famoahana sinoa 11

  • Nanome
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

fahazoan-dalana tsy ara-dalàna

  • Tetik'asa WASH
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

Mpianatra miisa 138 517

  • Eliana Bezaza
  • Zoma 16 Oktobra 2026

"Tsy ny PRRM velively

Hijery ny tohiny
FTT