Nivoaka ny valin’ny fanadihadiana «Global Innovation Index 2015» nijerena ny toekaren’ireo firenena 141 notontosain’ny Oniversite amerikanina Cornell, ny sekoly ara-barotra Insead ary ny Fikambanana manerantany misahana ny Finamanana.
Faha-125 manerantany miaraka amin’ny naoty 24,4 amin’ny 100 i Madagasikara ary laharana faha-24 kosa amin’ireo firenena afrikanina 32. Mitana ireo laharana telo voalohany kosa aty Afrika i Maorisy, Afrika Atsimo ary Seisela. Niainga amin’ny fifehezana ireo masontsivana fototra miisa 7 moa ny nitsarana ny fivoaran’ny toekarena manerantany tamin’ity taona 2015 ity. Hita ao anatin’izany ireo andrimpanjakana, ny fanomezan-danja ny maha olona sy ny fikarohana, ny fotodrafitrasa, ny fanatsarana ny tsena, ny fahasalaman’ny orinasa, ireo vokatra momba ny fahalalana sy hairaha avo lenta ary ireo vokatra famoronana. Mila ezaka goavana eo amin’ireo sehatra ireo i Madagasikara, indrindra ny lafiny fotodrafitrasa, ny paikady fampihatra amin’ny tsena ary ireo politikam-pivoarana. Mampiavaka ireo firenena mivoatra ny finiavana politika izay tsy hita soritra mihitsy eto Madagasikara, hoy Bruno Lanvin anisan’ny namoaka ny tatitra sady tale mpanatanteraka momba ireo tondro manerantany ao amin’ny Insead.
Ramano F.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.