Actualités

Fivoahana ataon’ny sekoly tsy miankina Hodinihina manokana, hoy i Paul Rabary


  • Alatsinainy 02 Mey 2016

Niteraka resabe teto amintsika ny faran’ny herinandro teo ny fisian’ilay lozam-pifamoivoizana namoizana ain’olona 12 teny amin’iny lalam-pirenena fahefatra iny ankoatra ireo maratra am-polony.

 

 Ho an’ny sekoly La pepite d’Or eny Ambohimanarina manokana izay lasibatra dia enina ireo zaza namoy ny ainy ao amin’ny kilasy faharoa avokoa raha sivy kosa ireo mbola manaraka fitsaboana etsy amin’ny hopitaly HJRA. Rehefa nanontaniana ny mikasika ny fepetra manokana tokony horaisina amin’ny fivoahan’ny sekoly tahaka ireny ny minisitry ny fanabeazam-pirenena Paul Rabary dia nambarany fa fomba fiasa ny tahaka ireny satria tsy azo fehezina anaty rindrin’efatra hatrany ny mpianatra. Andraikitry ny sekoly kosa anefa ny fijerena ny ankizy  mpianatra sy ny fiara hitondra azy mandroso sy miverina mba hisorohana ny loza mety hitranga. Ho an’ny sekoly tsy  miankina dia notsindriany fa mbola hisy ny dinika manokana hifanaovany miaraka amin’ny Office National des écoles  privées entina handinihana ny fepetra horaisina mikasika izay fivoahana izay. Mbola hivory izy ireo, hoy hatrany ny minisitra ho fiarovana ny ain’ireo ankizy tsy manan-tsiny. Mikasika ny sekoly miankina amin’ny fanjakana kosa indray dia nambarany fa efa manana ny PASCOMA ho mpiahy azy ireny raha sanatria tojo lozam-pifamoivoizana tahaka izao.

Pati


 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Tale
  • Zoma 30 Oktobra 2026

mpanatanteraky ny ONTM

  • Taorian’ny
  • Zoma 30 Oktobra 2026

fandevenana an-janany

  • Creative Minds
  • Zoma 30 Oktobra 2026

Madagascar andiany faha-3

  • CENTRE
  • Zoma 30 Oktobra 2026

SEMBANA MIJORO

  • Kolikoly avo
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

lentan’ireo mpitondra teo aloha

Hijery ny tohiny
FTT