Manodidina ny 200 isan’andro raha kely indrindra ireo fiara taksibrosy mivezivezy etsy amin’ny Fasan’ny karana.
Avo roa heny noho izany aza ny isan’izy ireo rehefa fety ny andro, indrindra fa ny vakansy lehibe. Amin’ny ankapobeny anefa dia manana olana amin’ny fividianana solika izy ireo, indrindra fa amin’ny ora hiaingany etsy amin’ny Fasan’ny Karana. Mba ho famaliana izany indrindra dia nosokafan’ny Vivo Energy eo akaik’izy ireo manamorona an’Ikopa ny tobim-pivarotan-tsolika vaovao Shell. Omaly no notokanana tamim-pomba ofisialy ity ivontoeram-pivarotan-tsolika iray vaovao ity izay manana tanjona hanala fahasahiranana ny mpanjifa. Ankoatra ny fivarotana ireo karazana solika mitsitsy vokarin’izy ireo sy tsy manimba ny fiara dia misy ihany koa ny toerana hahafahana manadio ny fiara sy misakafo ho an’ireo izay mila izany. Marihina moa fa ity no tobim-pivarotan-tsolika fahatelo manodidina an’Anosizato Atsinanana sy Andrefana.
Pati
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.