Anisan’ny tena mampitaraina fatratra ny maro ny fisian’ny olona mivarotra sy mifoka rongony eny amin’iny faritra Ambohimangakely, Ambohimanarina, Ankadindramamy, Marais Masay,
Ambodivona, Ampasika, Ivandry ary Morarano Alarobia iny. Tambajotra iray goavana no ravan’ny mpitandro ny filaminana tamin’ireo toerana ireo ny alatsinainy teo izay marihina fa mbola tratra teo am-pifohana sy fivarotana rongony avokoa. Anisan’izany ireo vehivavy efatra izay tratra teny Ankandriana Ambohimangakely. Ilay Ramatoa iray tratra teny Ambohimanarina izay tena mpivaro-drongony hikoizana tokoa. Rehefa nosavaina mantsy ny tranony dia nahitana rongony 20 kilao. Ramatoa roa hafa indray koa no voasambotra teny Morarano Alarobia teo am-pivarotana rongony ka mbola nahitana fonosana rongony miisa 4 teny aminy. Lehilahy dimy hafa ihany koa no voasambotra teny Ankadindramamy sy Ambodivona ary Marais Masay teo am-pivarotana rongony. Mbola nahatrarana rongony 23 fonosana teny amin’izy ireo. Tamin’ny fanadihadiana azy ireo dia niaiky ny heloka vitany izy 22 mianadahy. Lehilahy miisa 10 kosa no tra-tehaky ny polisy teny Ivandry teo am-pifohana rongony. Natolotra ny fampanoavana omaly avokoa izy ireo.
Pati
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.