Manoloana ny vaovao nivoaka an-gazety sy ny haino aman-jery milaza fa nisy polisy iray nivarotra basy tamina jiolahy dia nanao fanambarana ireo tompon’andraikitra ao amin’ny polisim-pirenena.
Nambaran’izy ireo fa “fanendrikendrehana ilay polisy izany sady fanosoram-potaka ny polisim-pirenena” satria tsy mitombina ny fiampangana. “Tsy mifanaraka amin’ny zava-misy sy ny marina ny zavatra lazain’ilay jiolahy”, hoy izy ireo ka na ny anaran’ilay polisy aza tsy fantany akory. Toraka izany koa ny zava-niseho… Nanamafy moa izy ireo fa tsy miala amin’ny andraikiny mahazatra, toy ny fiarovana ny olona sy ny fananany ary ny fampiharana ny lalàna. Tsy miray tsikombakomba amin’ny mpanao ratsy ihany koa ny polisim-pirenena na olon-tsotra izany na ny polisy toa azy.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.