Mitaraina ireo mpivarotra voninkazo sy mpanao fanaingoana isan-karazany etsy Anosy ampitan’ny Antenimierandoholona Anosy amin’izao.
Vehivavy iray ambaran’ireo mpivarotra fa mahitahita no manangana tsena vy lehibe amin’ny alalan’ny fanitso eo anoloan’ny tsenan’izy ireo. Kotrehina hanaovana tahaka izany avokoa ny toerana malaladalaka eo anoloan’ireo tsenan’ny voninkazo eny an-toerana raha ny fitarainan’ireo lasibatra. Tsena manara-penitra no ambara fa hatao amin’izy io, dia ireny fivarotan-tsakafo sy tsakitsaky na “Gargotte” ireny raha ny fitarainana hatrany. Rehefa nanatona ny teo anivon’ny fivondronana ireo lasibatra, dia nahazo valin-teny fa toa misy olona ambonimbony ao anaty fanjakana miaro sy mandrisika io Ramatoa manao antsojay io. Efa nanangana zavatra teo izy io tamin’ny taona 2009, ka niakatra teo anivon’ny lehiben’ny tsena ny raharaha, ary dia voasakana teo ny fikasana. Nikasa hanangana toeram-pivoahana indray vao tsy ela, ary efa natomboka, kinanjo nesorina rehefa nilaza ny hitondra ny raharaha tany amin’ny Ben’ny tanàna ireo mpivarotra, raha ny fanazavana. Ankehitriny kosa dia tsy tahotra tsy henatra intsony fa efa misy trano vy lehibe mitsangana manakona tanteraka ireo mpivarotra voninkazo, ka amin’ny alina no hananganany azy, ary efa mitarika jiro eo amin’ilay toerana mihitsy. Manao antso avo amin’ny manampahefana mahefa hijery ny zava-misy sy hanaisotra ny tsena sokajian’izy ireo ho tsy ara-dalàna araka izany ireo mpivarotra eo amin’ny voninkazo izay efa an-taonany maro be no teo. Sady asa fivelomana no haingon’ny tanàna rahateo, hoy izy ireo, no nanomezan’i Marc Ravalomanana azy ireo hampiasa ny toerana tamin’ny androny, saingy izao misy olona mahitahita misotasota azy ireo izao.
Toky R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.