Actualités

Fivadibadihan’ny toetr’andro Tandidomin-doza ireo valanjavaboary eto Madagasikara


  • Alakamisy 16 Mey 2019

Anisan’ny firenena marefo mora andairan’ny voka-dratsin’ny fivadibadihan’ny toetr’andro i Madagasikara, raha ny tatitra nomen’ny avy eo anivon’ny minisiteran’ny tontolo iainana sy ny Madagascar National Parc ary ireo rafitra iraisam-pirenena miara-miasa aminy tetsy amin’ny Colbert Antaninarenina omaly.

 

Manaporofo izany ny fitomboana 2 °C isan-taona ny maripanan’ny toetr’andro eto amintsika. Valanjavaboary arovana miisa 14 eto Madagasikara no ahiana ho simba noho ny fiovaovan’ny toetr’andro.Misy ny fanadihadiana atao mba hikarohana ny vahaolana.Anisan’ireo lasibatra ao anatin’izany ny valanjavaboary ao Andasibe sy Ranomafana Tokana ny vahaolana, hoy ny fanazavana, dia ny fitantanana ara-drariny ireo valanjavaboary eto amintsika. Miisa 180.000 isan-taona ireo mpizahatany tonga mitsidika ny zavaboary eto, izany hoe ny 65%-n’ireo mpizahatany mpandalo eto Madagasikara. Ny fitantanana ara-drariny sy fiarovana ireo valanjavaboary, araka izany, dia sady manampy amin’ny fiarovana ny tontolo iainana no manampy amin’ny fampandrosoana ny toekarena.

J. Mirija

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Fandaharam-pirenena
  • Talata 20 Oktobra 2026

momba ny fanatanjahantena

  • Jhona Iberanandrasana
  • Talata 20 Oktobra 2026

- MRM

  • XXL LAST
  • Talata 20 Oktobra 2026

RACE BY CARREFOUR

  • Actualités
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

Minisitra Fanirisoa Ernaivo

  • Halatra amin’ny
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

fifandraisan-davitra Andrasana hatrany

  • Raharaha
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

famoahana sinoa 11

Hijery ny tohiny
FTT