Actualités

Fitsinjarana ranon’ny JIRAMA Ho avy ny manampahaizana vahiny hanadio ireo fantsona


  • Zoma 03 Janoary 2020

Nivaky ny filoha Rajoelina nandritra ny kabariny ny 31 desambra lasa teo fa tena mandohalika ny orinasa Jirama noho ny olana eo amin’ny fitantanana, fahanteran’ny fitaovana.Mihoatra ny 60 taona ny ankamaroan’ireo fitaovana toa ny fantsona mitondra rano,

 

 

 

maro no simba sy harafesina, misy ny fahavakisana hany ka very ny 30% n’ny rano vokarina.Etsy annkilan’izay  nitombo ny isan’ny mponina, nitombo ihany koa izany ny filana.Fotodrafitrasa famatsiana rano ho an’olona 300 000 no misy eto , ankehitriny anefa ahitana mponina 3 tapitrisa Antananarivo renivohitra sy ny manodidina azy. Tsy maintsy mitondra vahaolana maharitra , mba tsy hampijaly ny rano sy ny jiro, hoy ny filoha ka efa natomboka ny fanorenana fotodrafitrasana fampitomboana ny famokarana rano eny Mandroseza ary efa afaka mamokatra rano mihoatra ny 40 000 m³ ny eny an-toerana  .Hiditra amin’ny fanoloana sy fanadiovana ireo fantsona mitsinjara ny rano isan-tokantrano ihany koa ny Jirama ato ho ato ka amin’ny fomba moderna, amin’ny alalan’ny robot, hitsirika sy hanadio no hanatanterahana izany. Izay simba tanteraka dia hosoloina vaovao.Amin’ity volana  janoary sy ny febroaryno ho avy eto ireo vahiny manampahaizana manokana hanomboka izany.Efa tenamazava ny resaka izany eto fa rano maloto ireny miloko hafahafa tonga any an-tokantrano ireny satria fantsona harafesenina no nitondra azy, ka mandra-piandry ny fanadiovana na fanoloana ireo fantsona tsy manara-penitra intsony dia mila mandray fepetra ny isan-tokantrano sy ny jirama ary ny fitondram-panjakana satria ilaina isan’andro ny rano.Zava-dehibe ihany koa ny fitsitsiana rehefa mandao krizin-drano tahaka izao , ka tsara kokoa raha mamerina ireo fanentanana sy fanabeazana efa nataony ny Jirama sy ny ministera mpiahy fa manjary lasa resaky ny moana sy marenina ilay izy.Ny olona tsy te hahalala satria mandoa volan’ny faktiora isam-bolana izy; iaraha-mahafantatra anefa io olanna goavana sedrain’ny Jirama io.Mila serasera matotra e !

RTT

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Fandaharam-pirenena
  • Talata 20 Oktobra 2026

momba ny fanatanjahantena

  • Jhona Iberanandrasana
  • Talata 20 Oktobra 2026

- MRM

  • XXL LAST
  • Talata 20 Oktobra 2026

RACE BY CARREFOUR

  • Actualités
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

Minisitra Fanirisoa Ernaivo

  • Halatra amin’ny
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

fifandraisan-davitra Andrasana hatrany

  • Raharaha
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

famoahana sinoa 11

Hijery ny tohiny
FTT