Actualités

Fitsidihana an’i Befandriana Mbola ifanilihan'ny mpitondra ?


  • Alatsinainy 06 Martsa 2017

Efa nisy vokany ny fanadihadiana natao mikasika ny raharaha Befandriana Avaratra na ny kaominina ambanivohitr’Antsakabary, hoy ny praiminisitra Mahafaly Olivier,

 ny sabotsy teo raha namangy ireo traboina teny 67 ha noho ny voina nahamay trano miisa 19 sy nahatonga ny tsy manan-kialofana 129 teny an-toerana ny alin’ny zoma teo. Mbola tsiambaratelom-panjakana hatreto anefa ka tsy afaka hilaza isika ny tompon’antoka tamin’iny fandorana trano maherin’ny 400 isa tany Antsakabary iny. Nilaza ihany koa ny praiminisitra fa amin’ity herinandro ity dia hisy ny tomponandraiki-panjakana hidina any an-toerana ka mbola hifanaraka izy sy ny filoham-pirenena izay ho any. Tsy mbola nisy zava-doza sy nampihoron-koditra indrindra noho ny raharaha Antsakabary hatreto nitranga tamin’ity taona ity kanefa dia mahagaga fa toy ny mbola hamoraina ihany ny fanapahan-kevitra. Nilaza ny praiminisitra fa nalefa ao Antsohihy ny fanampiana, toy ny vary sy tranolay, ho an’ireo niharam-boina kanefa tsy tokony ho laharam-pahamehana ve  ny fanaraha-maso ny fanampiana raha tena tonga any amin’izay mila azy tokoa na tsia ? Fanampin’izay, mbola sahin’ny praiminisitra ny milaza fa hifanaraka izy sy ny filoham-pirenena ny amin’izay hidina any an-toerana, tahaka ny hoe tsy matahotra ve ilay fitondram-panjakana sa mifanilika andraikitra sa ahoana ? Efa ho roa herinandro ve izay no nitrangan'iny raharaha iny dia tsy mbola fantatra ny tomponandraiki-panjakana hitarika ny delegasiona ho any Befandriana ? Sa tena tsy mahamaika mihitsy ilay izy ? Tranolay, vary 1 taonina, voamaina 10 lasaka, fanitso 100, bodofotsy, fitaovan-dakozia moa no fanampiana nentin’ny fitondram-panjakana ho an’ireo traboina tetsy 67 ha.

Mirija


Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Ahiahina tsikombakomba
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

avo lenta ara-tany ao Mantasoa

  • Pr Jonah Ratsimbazafy
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

«Efa hita fa tsy mety ny

  • Afera boeing
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

mety hafindra ady heloka bevava

  • Afera sy halatra tany,
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

fanararaotam-pahefana,…

  • COMESA Media Award
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

Lasan’ny mpanao gazety

  • Nanaitra
  • Talata 27 Oktobra 2026

ny Jirama ny PRRM

Hijery ny tohiny
FTT