Manomboka mifoha indray ankehitriny ny raharaha mikasika ilay mpandraharaha voapanga tamin’ny resaka fanodinana fanananam-panjakana, Claudine Razaimamonjy na Claudine A&C.
Raha tsiahivina moa dia misy vehivavy mpandraharahan’ny fonja miisa 24 amin’izao fotoana izao hanaovana fanadihadiana mikasika ity raharaha ity ary anton’ny fisokafan’ny fanadihadiana indray, raha ny fanazavana, ny filazana fa nanampatra fahefana ny fandraharahana ny fonja. Namaly izany fiampangana izany tetsy amin’ny fonjan’Antanimora omaly ny fianakaviamben’ny mpandraharahan’ny fonja tamin’ny alalan’ny mpitondra tenin’izy ireo, Martin Ratsimavandy. Ny mpandraharahan’ny fonja, hoy izy, dia mpanatanteraka baiko fa tsy mpanapa-kevitra. Ireo mpitondra no mpanapa-kevitra. Raha tsiahivina ny antony namindrana toerana ity mpandraharaha ity tamin’izany fotoana dia antony 2. Fanajana ny zon’ny voafonja sy ny zo maha olona. Nosoniavin’ireo manam-pahefana tamin’ny fotoan’androny izany rehefa safotra noho ny faharenesany ny didim-pitsarana ity mpandraharaha ity. Aoka tsy ho miangatra ny fitsarana, hoy ity mpitondra teny ity, fa vonona hiatrika izahay raha toa ka enjehina hatramin’ireo tompondraikitra naniraka tamin’izany, eny, fa na ny « Numero 1 » tamin’izany aza. Natory tao an-dalan-tsara ireo 24 mirahavavy ireo nefa nisy bevohoka sy mitaiza kely fa ny mpandraharaha Claudine kosa dia ny mpiandry azy manokana na « garde de corps » no niandry azy tao anatiny, hoy hatrany ny ampamoakan’ity mpitondra teny ity.
J. Mirija
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.