Mpiasam-panjakana ambony miisa 2 izay heverina fa hitazona toerana tena saropady eto amin’ny firenena no voatendry nandritra ny filankevitry ny minisitra omaly alarobia 19 febroary.
Eo aloha Atoa Imbiki Herilaza, izay voatendry ho sekretera jeneralin’ny ministeran’ny fitsarana. Mpitsara, mpampianatra ihany koa izy ary efa nitana io andraikitra io teo anivon’ny ministeran’ny harena ankibon’ny tany sy ny loharanon-karena stratejika. Zanaky ny minisitry ny fitsarana teo aloha Imbiky Anaclet izy.Voatendry ho sekretera jeneralin’ny ministeran’ny fanabeazam-pirenena sy ny fampianarana teknika ary ny fanofanana arakasa koa Atoa Herimanana Razafimahefa, anisan’ireo mpanohana mahafatrapo ny filoha Rajoelina tamin’ny propagandy, olon’ny MAPAR, efa CST tamin’ny fitondrana tetezamita. Nialoha izay dia anisan’ireo lohandohan’ny mpisorona tao amin’ny antoko Grad Iloafo izy ary manampahaizana momba ny toekarena. Ankoatr’izay dia voatendry ho sekretera jeneralin’ny ministeran’ny fampianarana ambony sy ny fikarohana ara-tsiantifika Atoa Randriamasitiana Gil Dany. Nisy ihany koa ny fanendrena lehibena distrika miisa 5 nandritra ity filankevitry ny minisitra ity ary fanesorana tompon’andraiki-panjakana ambony maromaro ihany toy ny misahana ny Centre Régional des OEuvres Universitaires Antananarivo (CROUA).
RTT
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.